Famindram-pahefana teo amin’Andriamatoa Tale Jeneraly mpisolo toerana JAOSOLO Gelase sy Ramatoa Tale Jeneraly vaovao, FLORENT Soatiana Bety Léonne.
Tontosa anio 14 Aogositra 2026 teto amin’ny CNaPS Ampefiloha ny famindram-pahefana teo amin’Andriamatoa Tale Jeneraly mpisolo toerana JAOSOLO Gelase sy Ramatoa Tale Jeneraly vaovao, FLORENT Soatiana Bety Léonne.
Ankasitrahana Andriamatoa Tale Jeneraly mpisolo toerana tamin’ny asa rehetra niantsorohany teto anivon’ny CNaPS nandritra izay 7 volana izay. Miarahaba an-dRamatoa Tale Jeneraly ihany koa ary mirary soa sy fahombiazana ho azy amin’izao andraikitra vaovao sahaniny izao.