Ny tsara ho fantatra mahakasika ny fandraisana ny zo eto anivon’ny CNaPS, taorian’ny fiakaran’ny karama farany ambany (SME)
Ampahafantarina isika fa toy izao manaraka izao ny tsara ho fantatra mahakasika ny fandraisana ny zo eto anivon’ny CNaPS, taorian’ny fiakaran’ny karama farany ambany (SME), izay fototra hikajiana ny fanampiana rehetra :
- Ho an’ny mpandray volan-jaza dia ny volana aogositra no mandray ny volan-jaza efa niakatra ho 11 000 ariary, miampy ny « rappel » 5 volana (Marsa, aprily, may, jona ary jolay), izany hoe : 1000 ar x 5
- Ho an’ireo efa nanao fangatahana volan’ny bevohoka sy volan’ny mpitaiza kely nanomboka ny volana marsa, dia asaina hanatona ny biraon’ny CNaPS akaiky azy indrindra ho amin’ny fandaminana ny resaka "rappel".
- Ho an'ireo mpandray fisotroan-dronono sy vidin-takaitra :
• volana jolay: ny volana oktobra no raisina ny zo efa misy fiakarana ary miampy ny « rappel » (aprily – may – jona – jolay) izany,
• volana aogositra : ny volana aogositra no raisina ny zo efa misy fiakarana ary miampy ny « rappel » (aprily – may) izany,
• volana septambra : ny volana septambra no raisina ny zo efa misy fiakarana ary miampy ny « rappel » telo volana ( aprily – may – jona ) izany.
CNaPS : « Firaisankina ho amin’ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra »