Fankalazana ny Androm-pirenena ho an'ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny faha-70 tanona naha rafitra ara-panjakana ny Fiahiana ara-tsosialy
Tontosa omaly talata 29 Septambra 2026 teto amin'ny CNaPS Ampefiloha ny fanamarihana ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an'ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny faha-70 tanona naha rafitra ara-panjakana ny Fiahiana ara-tsosialy ho an'ireo mpiasa tsy miankina eto Madagasikara. Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Jeneraly ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin izay nisolo tena ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repobilikan'i Madagasikara.
Nisy ny varavarana misokatra ho an'ny daholo be izay natao teto Ampefiloha sy tany amin'ireo biraon'ny CNaPS rehetra manerana ny nosy nahafahana manakaiky hatrany ireo olona sahanina. Ankasitrahana feno ireo namaly ny antso tamin'ny fanasana sy ireo tonga nitsidika ny varavarana misokatra ary ireo izay nanaraka ny fampitàna teto amin'ny pejy Facebook CNaPS Madagascar.