Publié le vendredi 6 août 2021
Fifampizarana niarahana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny fisorohana ny aro loza eny anivon’ny toeram-piasana
Ho tohin’ny fikaonan-doha natao teto anivon’ny CNaPS ny 30 jona 2020 lasa iny ho fametrahana ny « LABEL SST-CNaPS », dia notanterahina anio zoma 06 aogositra 2021 tao amin’ny Hôtel « le PAVE Antaninarenina ». ny atrik’asa fifampizarana izay niarahana tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny fisorohana ny aro loza eny anivon’ny toeram-piasana. Ny CNaPS, ny OSTIE, ny FUNHECE, ny AMIT, ny ESIA ary ireo solontena avy ao amin’ny Ministeran’ny Asa, ny Asam-panjakana, ny fampananan’Asa ary ny Lalàna Sosialy no tonga nandray anjara tamin’izany.
Lalana iray hahatongavana @ fanolorana ny Label SST-CNaPS ny fitsidihina ireo orinasa ataon’ny mpitsabo misahana manokana ny fahasalaman’ny mpiasa ka hitsirihina ireo tranga tsy ara-dalàna mety hampidi-doza. Misy araka izany ny lisitra efa voafaritra mialoha enti-manantanteraka ny fitsirihina, saingy rehefa natomboka moa ny asa dia hita fa misy ny fahasarotana eo amin’ny fanatanterahina izany ka nahatonga ny fanatanterahana ity atrik’asa ity, entina hanatsarana ny fomba fiasa sy hijerena ny vahaolana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany.Tanjon’ity atrik’asa ity rahateo ny hampitoviana io lisitra io ho an’ny mpisehatra rehetra rehefa manao ny fitsidihina orinasa izy ireo.

Voir aussi ...
Publié le mardi 26 mai 2026
HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS
𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an’ir…
Publié le mardi 26 mai 2026
AVIS AUX EMPLOYEURS
📣 Chers employeursEffectuez l'envoi de vos pièces de paiement relative à la Décl…
Publié le mardi 26 mai 2026
HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS
𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an…