Publié le mardi 7 décembre 2021

Notanterahina androany talata 07 desambra 2021 teto amin’ny NOVOTEL ALAROBIA ny fanomezana marim-pankasitrahana ireo mpikambana CNaPS nisitraka voalohany ny Label SST. Misy sokajy telo (03) ny « LABEL » omena ireo mpikambana dia ny sokajy FEHIZORO (kintana 1) ; ny sokajy MENDRIKA (Kintana 2) ary ny sokajy RAITRA (kintana 3). Niisa 27 ireo orinasa nisitraka izany. Raha ny voalazan’Atoa Tale Jeneralin’ny CNaPS RAKOTONDRAIBE Mamy dia tsy misy ny mason-tsivana manokana fa rehefa mpikambana CNaPS dia afaka misitraka izany rehefa mahafeno ny fepetra sy ny fenitra takiana amin’ny resaka aro-loza sy ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana. Tonga nanotrona ny lanonana Ramatoa RANAMPY Gisèle Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’Asa ary ny Asa Sosialy, notronon’ireo orin’asa mpikambana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny CNaPS.
Voir aussi ...
Publié le dimanche 19 octobre 2025
HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS
𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒–𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱- VOLAN-JAZA ho a…

Publié le dimanche 19 octobre 2025
COMMUNIQUÉ

Publié le dimanche 19 octobre 2025
CALENDRIER DE PAIEMENT SEPTEMBRE
𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 septambra 𝟮𝟬𝟮𝟱- VOLAN-JAZA ho…
