Publié le mardi 7 décembre 2021
Notanterahina androany talata 07 desambra 2021 teto amin’ny NOVOTEL ALAROBIA ny fanomezana marim-pankasitrahana ireo mpikambana CNaPS nisitraka voalohany ny Label SST. Misy sokajy telo (03) ny « LABEL » omena ireo mpikambana dia ny sokajy FEHIZORO (kintana 1) ; ny sokajy MENDRIKA (Kintana 2) ary ny sokajy RAITRA (kintana 3). Niisa 27 ireo orinasa nisitraka izany. Raha ny voalazan’Atoa Tale Jeneralin’ny CNaPS RAKOTONDRAIBE Mamy dia tsy misy ny mason-tsivana manokana fa rehefa mpikambana CNaPS dia afaka misitraka izany rehefa mahafeno ny fepetra sy ny fenitra takiana amin’ny resaka aro-loza sy ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana. Tonga nanotrona ny lanonana Ramatoa RANAMPY Gisèle Minisitry ny Asa sy ny Fampananan’Asa ary ny Asa Sosialy, notronon’ireo orin’asa mpikambana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny CNaPS.


Voir aussi ...
Publié le mardi 26 mai 2026
HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS
𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an’ir…
Publié le mardi 26 mai 2026
AVIS AUX EMPLOYEURS
📣 Chers employeursEffectuez l'envoi de vos pièces de paiement relative à la Décl…
Publié le mardi 26 mai 2026
HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS
𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an…