Publié le vendredi 22 mars 2024

Nifanindran-dalana tamin'ny andro maneran-tany ho an'ny Asa Sosialy ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny Sampam-pianarana Formation Professionnalisante en Travail Social et Développement (FPTSD) Ankatso.
Amin'ny maha sampan-draharaham-panjakana misahana ny fiahiana ara-tsosialy ny CNaPS, ary koa amin'ny maha Ray Mpiahy an'Atoa Tale Jeneralin’ny CNaPS dia mandray anjara mavitrika amin'ny fampiroboroboana ny asa sosialy ny CNaPS, indrindra amin’ny tan-tsoroka amin’ny sekoly manaraka ny fenitra manofana ireo mpiasa sosialy eto Madagasikara.
Ny tanjona dia ny hampiakatra ny lanjan’ny asa sosialy ary koa ny hahafahana mandray an-tanana ireo mpikambana voasokajy ho marefo indrindra ireo mpisotro ronono sy mpandray vidin-takaitra eo anivon’ny CNAPS izay tena mila tohana ara-tsosialy, izay hita fa tena mbola vitsy amin’ireo voasokajy marefo no misitraka izany satria dia 7% monja noho ny fahavitsian’ny mpiatsehatra amin’ny asa sosialy eo anivon’ny CNaPS.
Koa ireo mpianatra asa sosialy amin’ireo sekoly ISTS sy FPTSD no hifandrimbona amin’ny CNaPS hisahana sy hanampy ireo mpikambana marefo manerana an’i Madagasikara.
Efa nisy ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo mpianatra izay nanaovana ny fakan-kevitr’ireo miasa tena teny amin’ny Kaominina Soavina.
Fararanon-danonana tokoa ny fankalazana satria dia notanterahina mandritra ny telo andro ny fanikafana ary hatao mandritra ny taona 2024.
- Ny faha 18 martsa no nanatanterahana ny fifanakalozan-kevitra teo amin’Atoa Tale Jeneraly CNaPS, izay Ray Mpiahy sy ireo mpianatra FPTSD tao amin’ny Cathédrale DEGS Ankatso, ary notronin'ny Sojaben’ny Faculté EGS sy ireo mpampianatra sy mpandraharaha.
- Ny faha 19 martsa kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 20 taona ny Sampam-pianarana FPTSD izay notanterahina teo amin’ny Parvis Analakely, nahitana an-dRtoa Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Rtoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, ireo Tale Jeneraly teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiantifika sy ny eo anivon’ny Mninsteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nanamarika izany indrindra ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny Sekoly FPTSD hahatrarana ny tanjona ho an’ny asa sosialy manerana an’i Madagasikara. Nisy ihany koa Famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ireo mpampianatra avy any ivelany sy teto an-toerana izay nandraisan’ny CNaPS.anjara mavitrika araka ny lohahevitra « La Protection Sociale à l'épreuve des contraintes structurelles ».
- Ny faha 20 martsa kosa dia nanatanterahana fambolen-kazo fihinam-boa tao amin’ny tokontanin’ny EPP Soavina narahana hetsika fanentanana teo amin’ireo vahoakan’ny Kaominina Soavina ihany.
Voir aussi ...
Publié le mardi 22 avril 2025
COMMUNIQUÉ
La demande d'attestation de régularité de paiement des cotisations sociales ou «…

Publié le mardi 8 avril 2025
APPEL COTISATION
😊😇𝗖𝗵𝗲𝗿𝘀 𝗘𝗺𝗽𝗹𝗼𝘆𝗲𝘂𝗿𝘀,👉Profitez de l'e-cnaps 🌐 https://www.cnaps.mg/ pour vos DNS e…

Publié le vendredi 14 mars 2025
FIHAONAM-BEN'IREO SKOTO MANERANA AN’I AFRIKA
Nosokafana androany 13 marsa 2025 teny amin'ny Centre culturel et de Loisirs CN…
