Publié le vendredi 15 avril 2022
Images associés
Tontosa ny alarobia 13 aprily 2022 tolakandro teto amin’ny Foibe CNaPS Ampefiloha ny fandraisan’andraikitra amin’ny maha Tale Jeneraly mpisolo-toerana an-dRamatoa TSABOTO Joslina eto anivon’ny CNaPS izay notronon’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jerson, izay nisolotena ny Minisitra, ary natrehan’ny Vaditany Maitre RAKOTONOMBANA Bakoly Clara. Nisy ny fanolorana ny antontan-kevitra mahakasika ny asa miandry ny CNaPS nandritra izany, ary nampiseho fahavononana hanohy ny asa rehetra ny Toniam-pitantanana izay tarihiny.
Mirary soa ho an-dRamatoa Tale Jeneraly mpisolo-toerana mba hahavita ny asa miandry azy ary hahaleo halasana amin’ny adidy mavesatra ankinin’ ny Firenena aminy ho fampiroboroboana ny Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny vahoaka Malagasy.