Publié le mercredi 27 janvier 2021
Images associés
Ho fanohanana sy fampiroboroboana ireo mpandrahara Malagasy dia nikarakara ny hetsika 4 M ny avy ao amin’ny « Agence Première Ligne ». Naneho ny fanohanana azy ireo ihany koa ny Tahirim-pirenena malagasy misahana ny fiahiana ara-tsosialy ka nandray anjara mavitrika tamin’izany hetsika izany. Toa ny mahazatra amin’ny hetsika tahaka izao dia manana trano heva handraisany ireo mpitsidika ny CNaPS ka nafahan’izy ireo naka teny miafina hijerea ny kaontin’ny mpiasa, nangataka karatra CNaPS, nameno ny fangatahana momba ny trano fonenana ary nametraka izay fanontaniana rehetra manitikitika momba ny fiahiana ara-tsosialy. Ny CNaPS dia tsy mitsahatra hatrany manakaiky ireo mpikambana ao aminy amin’ny fomba rehetra ho fanomezana fahafaham-po azy ireo.