Ho fandraisana an-tanana hatrany ireo mpikambana marefo eto anivon’ny CNaPS, dia niroso tamin’ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka vaovao ny CNaPS dia ny SALFA, SAF-FJKM, CDA, C3M ary ny Clinique Fidy. Androany faha 31 may 2023 teto amin'ny biraon'ny CNaPS Ampefiloha no nanatanterahina izany. Ny tanjon’ny fiaraha-miasa dia ny hisitrahan’ireo mpikambana zokiolona eto anivon’ny CNaPS fitsaboana ara-kalitao, toy ny fizaham-pahasalamana, fanafody, fitiliana ary fandidiana. Amin’ny maha tohana ara-pahasalamana azy dia natao mirary dia mirary ny sandan’ny tolotra ka 10 000ar isan-taona ny latsakemboka harotsaka amin’izany.
Misy hatrany ny fepetra napetraka mba ahafahan'ireo voasokajy ho marefo hisitraka izany :
  • Mpandray fisotron-dronono ka latsaky ny karama farany ambany (SME) ny fisotroan-dronono raisiny isam-bolana ;
  • Nandray « Remboursement de cotisation » ka mihoatra ny 60 telovolana ny latsakemboka narotsany (hatramin'ny taona 2016),
  • Mpandray « Rente d’invalidité » ;
  • Tsy mpikambana amin’ny AFAFI Mutuelle de santé.
Marihana hatrany fa tsy misitraka ny tolotra ny vady navelan'ny maty.
📞Fanampim-panazavana : 032 03 653 50 - 032 03 650 87
📍Manatona CNaPS CEO 67 Ha (Ao ambadiky ny MINFOP)

Voir aussi ...

Publié le mardi 26 mai 2026

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an’ir…

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS

Publié le mardi 26 mai 2026

AVIS AUX EMPLOYEURS

📣 Chers employeursEffectuez l'envoi de vos pièces de paiement relative à la Décl…

AVIS AUX EMPLOYEURS

Publié le mardi 26 mai 2026

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an…

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS