Images associés
FERMER

CNaPS-INSCAE : Mipetraka ny fifam-pitokisana 

Notanterahina omaly Alakamisy faha 28 janoary 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny CNaPS sy ny INSCAE (Institut National des Sciences Comptables et d'Administration d'Entreprise) izay notarihin’Adriamatoa Mamy RAKOTONDRAIBE, Tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena misahana ny Fiahiana ara-Tsosialy sy Ramatoa Harimino RAKOTO, Tale Jeneralin’ny INSCAE.

Anisan’ny zava-dehibe nifanarahana tamin’izany ny hanomezan’ny INSCAE fampiofanana arak’asa ireo mpikambana CNaPS izay very asa vokatrin’ny aretina COVID-19 teo iny ary ny fanomezana fiofanana ireo mpiasan’ny CNaPS araka izay filàna misy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ ny mpiasa ho entina hanomezana fahafaham-po ireo mpikambana. 

Teo ihany koa ny fandraisan’ny CNaPS an-tànana ireo mpianatry ny INSCAE izay mila mizatra asa sy mila manao fikarohana.

Nilaza moa Andriamatoa Tale Jeneralin’ny CNaPS fa tanjona hapetraka amin’izao fiaraha-miasa izao ihany koa ny mba ahafahan’ny CNaPS mampivoatra sy mamaly ny filan’ireo mpikambana hatrany avy amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiara-miasa amin’ny fifofanana iraisam-pirenena tahaka ny LEAN MANAGEMENT ohatra. 

Nanamafy kosa Ramatoa Harimino RAKOTO fa efa nisy ny drafitra napetraka araka ny filana arak’asa amin’izao fotoana izao mba hanomezana fahafam-po ireo mpikamabana CNaPS very asa izay mangataka ny fanampiana ka ahafahan’izy ireo miditra avy hatrany eo amin’ny sehatry ny asa rehefa vita ny fampiofanana.



Voir aussi ...

Publié le dimanche 15 mars 2026

FANOMEZANA SOLOMBODIAKOHO

SOLOMBODIAKOHO 2026 ho an'ny mpandray fisotroan-dronono sy mpandray vidin-takai…

FANOMEZANA SOLOMBODIAKOHO

Publié le dimanche 15 mars 2026

FAMPAHAFANTARANA

FAMPAHAFANTARANA