Fanamby iray lehibe napetraky ny Tale Jeneralin'ny CNaPS Andriamatoa Mamy RAKOTONDRAIBE ho an'ity  taona 2021 ity ny hanomezana Fiahiana ara-tsosialy ho an'ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka. Izany indrindra no anton'izao  fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin'ny CNaPS sy ny mpanazatra Nicolas DUPUIS izao izay notanterahina ny Alarobia faha 10 ny volana febroary 2021 teto amin’ny CNaPS foibe Ampefiloha. Hita ary tsy azo lavina  fa maro ny voina mety hahazo ny mpilalao iray mandritra ny fanazaran-tena na lalao iray ka lasa vesatra ho an'ilay mpilalao ny fitsaboana. Noho izany indrindra dia natao izao fifanaraham-piaraha-miasa izao ho fanampiana sy ho fanohanana  ireo mpilalao izay efa miroso any amin’ny maha matianina aloha ety am-panombohana. 

Manomboka izao dia ho raisin'ny CNaPS an-tànana ny fitsaboana sy fikarakarana ireo mpilalao sendra loza na aretina vokatry ny lalao na fanazaran-tena izay ataony raha toa ka mpikambana aty amin’ny CNaPS izy ireo.

Ankoatr'zay dia hisy ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin'Andriamatoa Nicolas DUPUIS sy ny CNaPS eo amin'ny fanaparitahana sy fivohizana ny Fiahiana ara-tsosialy eo amin'ireo tanora izay ho entiny, indrindra eo amin’ny lalao baolina kitra, ary koa eo amin’ny tontolon'ny fanatanjahatena  malagasy ankapobeny. 

Eo ihany koa ny fanomezana azy ny ivon-toerana fanaovana fanatanjahan-tena eny Vontovorona mba hahafahan'ireo tanora izay ho entiny manao fanazaran-tena  ho fampiroboroboana ny fanatanjahan-tena eto Madagasikara .

Nanamafy moa ny Tale Jeneralin'ny CNaPS fa santatra am-bavarano ihany izao fa mbola hisy ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin'ny CNaPS sy ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Ny tanjona dia ny hanatsara hatrany ny tolotra omen'ny CNaPS ary ny mba hananan'ny mpanao fanatanjahan-tena saina milamina rehefa milalao izy satria efa misy mandray an-tànana raha sendra loza.

Nilaza kosa Andriamatoa Nicolas DUPUIS fa maha-velombolo ho an’ny fanatanjaha-tena malagasy izao hetsika ataon'ny CNaPS izao satria sambany teto amin'ny tantaran’ny fanatanjahan-tena malagasy no nisy Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena. Azoko tsara hoy izy ny antom-piasian'ny Tahirim-pirenena misahana ny Fiahiana ara-tsosialy ankehitriny ka afaka mizara zavatra tsara momba izany amin’ny ankizy sy ny tanora izay ho entiko aho manomboka izao ahafantaran'izy ireo ny maha zava-dehibe izany Fiahiana ara-tsosialy izany.


Voir aussi ...

Publié le lundi 8 décembre 2025

FILAZANA HO ANTSIKA MPIKAMBANA

FILAZANA HO ANTSIKA MPIKAMBANA

Publié le lundi 8 décembre 2025

AUGMENTATION DES PRESTATIONS FAMILIALES DE LA CNAPS

Dans le but d’assurer une satisfaction constante de ses membres bénéficiaires, l…

AUGMENTATION DES PRESTATIONS FAMILIALES DE LA CNaPS

Publié le lundi 8 décembre 2025

HO AN'NY RAY AMAN-DRENY MPANDRAY VOLAN-JAZA ATY AMIN'NY CNAPS

Manentana antsika Ray aman-dreny hanavao ny taratasy fitazoman-jo mahakasika ny …

HO AN'NY RAY AMAN-DRENY MPANDRAY VOLAN-JAZA ATY AMIN'NY CNaPS