Nanatontosa ny fanentanana teo anivon’ny kaoperativam-pitanterana SOAMIAFARA SY KOFIA izay mampitohy ny zotra 67 Ha - ANDOHORANOFOTSY SY IAVOLOHA ny Sampana mpanao fitsirihana na « Contrôle » tamin’ny volana Jona teo. Maro amin’ireo mpamily sy mpanampy ny mpamily no liana sy nanontany ny mpiara-miasa izay nanantanteraka ny iraka mikasika ny tombontsoan’ireo mpikambana sy ny tolotra omen’ny CNaPS. Nisy ihany koa ny fandraisana ny anaran’izy ireo sy ny fametrahana ny GPS nandritra ny fotoana fanaovana ny fanentanana. Raha ny antontan’isa voaray dia 114 ny isan’ireo GPS voapetraka ary 211 ny isan’ireo nisoratra anarana nanomboka ny voalohan’ny volana Jona hatramin’ny tapaky ny volana Jona. Ny taona 2020 moa no efa nisy ny fiaraha-miasa mahakasika ny fametrahana GPS sy ny fampidirana ho mpikambana aty amin’ny CNaPS ireo mpamily sy mpanampy ny mpamily ka mitotaly 1 062 ankehitriny ireo mpikambana vaovao eo amin’io sehatry ny fitaterana olona io no voasoratra anarana aty amin’ny CNaPS. 

Raha tsiahivina dia ny mba hisitrahan’ireo sokajin’asa rehetra ny fiahiana ara-tsosialy no anton’ny fifanaraham-piaraha-miasa nataon’ny CNaPS sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, izay anisan’izany ireo fiombonan’ny kooperativam-pitaterana. 


Voir aussi ...

Publié le vendredi 26 juin 2026

FILAZANA

𝗙𝗜𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗬 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗧𝗥𝗢𝗔𝗡-𝗗𝗥𝗢𝗡𝗢𝗡𝗢 𝗦𝗬 𝗩𝗜𝗗𝗜𝗡-𝗧𝗔𝗞𝗔𝗜𝗧𝗥𝗔 Mba ho fitohiza…

FILAZANA

Publié le vendredi 26 juin 2026

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an’ir…

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS

Publié le vendredi 26 juin 2026

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲- VOLAN-JAZA ho an…

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS