Publié le dimanche 25 juillet 2021
Nanatontosa ny fanentanana teo anivon’ny kaoperativam-pitanterana SOAMIAFARA SY KOFIA izay mampitohy ny zotra 67 Ha - ANDOHORANOFOTSY SY IAVOLOHA ny Sampana mpanao fitsirihana na « Contrôle » tamin’ny volana Jona teo. Maro amin’ireo mpamily sy mpanampy ny mpamily no liana sy nanontany ny mpiara-miasa izay nanantanteraka ny iraka mikasika ny tombontsoan’ireo mpikambana sy ny tolotra omen’ny CNaPS. Nisy ihany koa ny fandraisana ny anaran’izy ireo sy ny fametrahana ny GPS nandritra ny fotoana fanaovana ny fanentanana. Raha ny antontan’isa voaray dia 114 ny isan’ireo GPS voapetraka ary 211 ny isan’ireo nisoratra anarana nanomboka ny voalohan’ny volana Jona hatramin’ny tapaky ny volana Jona. Ny taona 2020 moa no efa nisy ny fiaraha-miasa mahakasika ny fametrahana GPS sy ny fampidirana ho mpikambana aty amin’ny CNaPS ireo mpamily sy mpanampy ny mpamily ka mitotaly 1 062 ankehitriny ireo mpikambana vaovao eo amin’io sehatry ny fitaterana olona io no voasoratra anarana aty amin’ny CNaPS.
Raha tsiahivina dia ny mba hisitrahan’ireo sokajin’asa rehetra ny fiahiana ara-tsosialy no anton’ny fifanaraham-piaraha-miasa nataon’ny CNaPS sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, izay anisan’izany ireo fiombonan’ny kooperativam-pitaterana.
Voir aussi ...
Publié le lundi 8 décembre 2025
FILAZANA HO ANTSIKA MPIKAMBANA
Publié le lundi 8 décembre 2025
AUGMENTATION DES PRESTATIONS FAMILIALES DE LA CNAPS
Dans le but d’assurer une satisfaction constante de ses membres bénéficiaires, l…
Publié le lundi 8 décembre 2025
HO AN'NY RAY AMAN-DRENY MPANDRAY VOLAN-JAZA ATY AMIN'NY CNAPS
Manentana antsika Ray aman-dreny hanavao ny taratasy fitazoman-jo mahakasika ny …