Feno dimy taona ny nitsanganan’ny Sampana CEO na ny Ivon-toerana Haino aman-toro-làlana eto anivon’ny CNaPS. Sampana misahana ireo mpikambana marefo sy tojo fahasahiranana.

Ankoatran’ireo tolotra fanampiana izay nahalalana ny CNaPS hatramin’izay dia misy ihany koa ny tolotra fahefatra dia « HETSIKA ARA-TSOSIALY » izay atolotry ny CNaPS araka ny voalaza ao amin’ny (Article 4 de l’ordonnance 62-078 du 20/09/1962) : « Participer à l’amélioration des conditions de vie et de travail des travailleurs ».

Anisan’ny asa sahanin’ny Ivon-toerana ireto hetsika ara-tsosialy manaraka ireto :


  • Fanampiana ara-pahasalamana
  • Fampiofanana arak’asa
  • Tan-tsoroka ara-psikolojika.

Manodidina ny 23 300 ireo mpikambana efa noraisina an-tànana tao amin’ny Ivon-toerana izay mitsinjara toy izao manaraka izao :

  • 19800 eo ho eo ireo nisitraka ny fanohanana ara-tsaina (accompagnement psycho-social individualisé), ny tan-tsoroka ara-pahasalamana (Accompagnement sanitaire), ny fitsidihana an-tokantrano (visite à domicile), ny hetsika sy tantana atao amin’ny vondron’olona (accompagnement social de groupe),
  • 1600 no isan’ireo zokiolona mihoatra ny 60 taona misitraka ny tohana ara-pahasalamana,
  • 1923 ireo mpikambana nanaraka ny fiofanana arak’asa (lahy 621, vavy 1302).


Haharitra telo andro ny hetsika fankalazana ny faha dimy taona ka manomboka ny talata faha 11 oktobra hatramin’ny alakamisy faha 13 oktobra 2022 eo amin’ny Zaridaina Ampefiloha manoloana ny CNaPS izany.

Hisy ny trano eva handraisana ireo mpikambana, hanomezana toro-hevitra sy fandraisana an-tànana ara-psikolojika manokana. Hisy ihany koa ny fitiliana diabeta maimaim-poana ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka.

Ny zoma 14 oktobra 2022 kosa dia eo amin’ny tokontany malalaky ny CNaPS 67 Ha no hanaovana ny hetsika izay samy arahana fanentanana sy fanoroana (sensibilisation) mikasika ny diabeta.

Isaorana manokana ireo mpanohana ofisialy ny fankalazana :


TAF, Groupe BASAN : JB, Socolait, Tanjaka food


Voir aussi ...

Publié le vendredi 17 octobre 2025

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒–𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱- VOLAN-JAZA ho a…

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS

Publié le vendredi 17 octobre 2025

COMMUNIQUÉ

COMMUNIQUÉ

Publié le vendredi 17 octobre 2025

CALENDRIER DE PAIEMENT SEPTEMBRE

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 septambra 𝟮𝟬𝟮𝟱- VOLAN-JAZA ho…

CALENDRIER DE PAIEMENT SEPTEMBRE