Betsaka ny fahavoazana miseho eny anivon’ny orinasa saingy matetika dia vokatry ny tandrevaka sy ny tsy fitandremana avokoa no mahatonga ireny. Mba hahafahana misoroka izany dia ilaina ny fanovana ny toe- tsaina sy ny fomba fiasa ary ny fisorohana hatrany ny loza mety hitranga.

Izany indrindra no nahatonga ny tompon’andraikitry ny fahadiovana sy aro-loza ary tontolo iainana (HSE) tao amin’ny orinasa ENDUMA hiantso ny ekipan’ny fiahiana ny fahasalamana ary ny aro-loza eny anivon’ny toeram-piasana (SST) eto amin’ny CNaPS, mba hanao fanentanana teny an- toerana ny 22 Martsa ka hatramin’ny 02 Aprily 2021 lasa teo, ary mpiasa miisa 339 no nisitraka izany fanentanana izany. Marihina fa ny ENDUMA dia orinasa mpanamboatra harona sy gony, ka eny Saropody Tanjombato no ahitana azy.  Notsinjaraina 13 ireo mpiasa ireo ka naharitra 8 andro ny fanentanana mba ho fitandroana sy fanajana ny fepetra ara- pahasalamana ary koa mba hipaka tsara any amin’izy ireo ny hafatra tiana ampitaina. 

Nandritra ireo fotoana nanaovana fanentanana dia hita fa nahaliana ireo mpiasa ny fifampizarana izay natao, ary tsapan’izy ireo ihany koa ny maha zava- dehibe ny fiahiana ara- tsosialy izay omen’ny CNaPS. Na izany aza anefa dia samy resy lahatra avokoa ny rehetra hoe : aleo salama sy tomady eo am- panatanterahana ny asa, toy izay hisitraka ny vidin- takaitra noho ny tsy fitandremana. 

Fahavononana hisoroka no fanamby napetraky ny orinasa sy ireo mpiasa mba hampihena araka izay azo atao ny loza sy ny aretina vokatry ny asa ho tombotsoan’ny mpiasa sy ny ankohonany, sy ho tombotsoan’ny orinasa ary ho tombotsoan’ny CNaPS ihany koa.


Voir aussi ...

Publié le mercredi 3 septembre 2025

FILAZANA

FILAZANA

Publié le mercredi 3 septembre 2025

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS VOLANA JOLAY 2025

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS volana jolay 2025

Publié le mercredi 3 septembre 2025

CNAPS IMPACT : L’INNOVATION SOCIALE EN ACTION

En présence de Mme RAZAKABOANA Hanitra, Ministre du Travail et de la Fonction Pu…

CNaPS IMPACT : L’innovation sociale en action