TONTOLO ANDRO  MAMPIVOATRA HO AN'NY RENY SY NY ZOKIOLONA MPIKAMBANA ATO AMIN'NY CNaPS 

Notontosaina ny alakamisy 28 sy ny zoma 29 janoary 2021 teo ny fiarahana tamin’ireo vondron’olona voalaza etsy ambony izay miisa 51.

Ny Tanjona tamin’izany dia mba ahafahan’izy ireo mihatsara amin’ny lafiny maha-olona manontolo.

Maro ireo hetsika tamin’izany toy ny fifanakalozan-kevitra, fifampizarana traikefa, resa-dresaka momban’ny fiainan-tokantrano, lalao fifaninanana, hira sy dihy. Nisy ihany koa ny fiaraha-misakafo ary nofaranana tamin’ny fizarana goodies.

Andiany « SANTATRA » no anarana nosafidian’ireo renim-pianakaviana ary « FANEVA » kosa ny an’ireo zokiolona. Fisaorana mitafotafo sy fankatelemana no natolotr’izy ireo ny CNaPS. Ary dia maniry tokoa izy ireo ny mba hitohizan’izany hatrany.

Ny andiany manaraka dia hotanterahina ny alakamisy 25 febroary 2021 amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 3 ora hariva ho an’ireo « Renim-pianakaviana » tojo olana eo amin’ny fitaizana ny zanany ary ny zoma 26 febroary amin’ny 8ora maraina hatramin’ny 3 ora hariva ihany koa ny an’ny « Zokiolona », samy eto amin’ny CNaPS 67 ha. Marihina hatrany fa ireo mpikambana ato amin’ny CNaPS ihany no voakasik’ity hetsika ity fa tsy ny vadiny na ny zanany akory.

Voafetra ny isa horaisina isaky ny hetsika.


Voir aussi ...

Publié le dimanche 19 octobre 2025

HO AN'IREO MPISITRAKA ZO AVY ATY AMIN'NY CNAPS

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒–𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱- VOLAN-JAZA ho a…

Ho an'ireo mpisitraka zo avy aty amin'ny CNaPS

Publié le dimanche 19 octobre 2025

COMMUNIQUÉ

COMMUNIQUÉ

Publié le dimanche 19 octobre 2025

CALENDRIER DE PAIEMENT SEPTEMBRE

𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐙𝐎 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐍𝐚𝐏𝐒 –𝗩𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 septambra 𝟮𝟬𝟮𝟱- VOLAN-JAZA ho…

CALENDRIER DE PAIEMENT SEPTEMBRE